SALAMO FAHA87


Ny tanànan’ i Jehovah, izay hahaterahan’ ny firenena maro ho isan’ ny Isiraely

1 Salamo nataon’ ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin’ i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;

2 Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba.

3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra

4 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.

5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.

7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.