SALAMO FAHA99


Fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany

1 Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.

2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy.

3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.

4 Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.

5 Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika hianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy.

6 Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.

7 Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.

8 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.

9 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.