1 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ ny tany izay nianianako tamin’ ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
2 koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany hianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko hianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
4 Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
5 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Bokima [Bokima = Mitomany] ; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.